plt_tn/dan/03/06.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown

# Na iza na iza tsy miondrika ka manompo, amin'izany fotoana izany mihitsy, dia hatsipy ao anaty lafaoro midedadeda
DH: "Ireo miaramila dia hanipy ao anatin'ny lafaoro midedadeda izay olona tsy miondrika sy manompo ny sarivongana amin'ny fotoana izay tena hendrenesan'izy ireo ny mozika."
# miondrika
Eto ny hoe "miondrika" dia midika hoe "miankohoka haingana"
# lafaoro midedadeda
Inty dia efi-trano lehibe feno afo mahamay.
# ny vahoaka manontolo, ireo firenena, sy fiteny
Eto ny hoe "manontolo" dia midika ny vahoaka rehetra izay nanatrika.
# ny vahoaka , ireo firenena, sy fiteny
Eto ny hoe "firenena" sy "fiteny" dia maneho vahoaka avy any amin'ny firenen-tsamihafa izay miteny amin'ny fiteny samihafa. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 3:3. DH: "Vahoaka avy amin'ny firenen-tsamihafa ary izay miteny fiteny samihafa"
# ny feon'ny anjomara, sodina... ary farara
Zava-maneno ireo. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:3 izany.
# niondrika
Eto ny hoe "niondrika" dia midika hoe "niankohoka haingana"
# niankohoka
"Ahinjiro ambany amin'ny tany ny tavanareo mba hivavahanareo amin'ny"
# ny sarivongana volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.
Izay nataon'ireo lehilahin'i Nebokadnezara ireo izay nolazaina tahaka ny hoe i Nebokadnezara no nanao azy. DH: "Ny sarivongana volamena izay natsangan'ireo lehilahin'i Nebokadnezara mpanjaka."