plt_tn/dan/02/36.md

1.2 KiB

Fampahafantarana ankapobeny:

Mitohy miresaka amin'ny mpanjaka i Daniela.

hilaza amin'ny mpanjaka izahay izao

Eto ny hoe "izahay" dia ilazana an'i Daniela irery. Mety nampiasa ny endriny manambara maro izy tamim-panetre-tena mba hisorohana ny fandraisana fankasitrahana tamin'ny fahalalana ny hevitry ny nofy izay nambaran'Andriamanitra taminy.

mpanjakan'ireo mpanjaka

"mpanjaka enjana indrindra" na "ny mpanjaka izay manapaka eo amin'ireo mpanjaka hafa" (UDB)

ny fahefana, ny hery

Ireo teny ireo dia midika mitovy ifotony.

Efa nataony teo am-pelatananao ny toerana

Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny fanaraha-maso. DH: "Nomeny anao ny fanaraha-maso eo amin'ny toerana"

ny toerana honenan'ny olombelona

Ny toerana dia nampiasaina mba hanehoana ny olona izay nonina tao. DH: "Ny vahoakan'ny tany"

nomeny teo am-pelatananao ireo biby... ny voron'ny lanitra

Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny fanaraha-maso. DH: "Nomeny anao ny fandrindrana eo amin'ireo bibin'ny saha sy ny voron'ny lanitra"

Ianao no lohan'ny sarivongana volamena

Tao amin'ny nofin'ny mpanjaka ny lohann'y sarivongana dia naneho ny mpanjaka. DH: "Ny loha volamena dia manambara anao" na "Ny loha volamena dia fanambarana anao sy ny herinao"