# Fampahafantarana ankapobeny: Mitohy miresaka amin'ny mpanjaka i Daniela. # hilaza amin'ny mpanjaka izahay izao Eto ny hoe "izahay" dia ilazana an'i Daniela irery. Mety nampiasa ny endriny manambara maro izy tamim-panetre-tena mba hisorohana ny fandraisana fankasitrahana tamin'ny fahalalana ny hevitry ny nofy izay nambaran'Andriamanitra taminy. # mpanjakan'ireo mpanjaka "mpanjaka enjana indrindra" na "ny mpanjaka izay manapaka eo amin'ireo mpanjaka hafa" (UDB) # ny fahefana, ny hery Ireo teny ireo dia midika mitovy ifotony. # Efa nataony teo am-pelatananao ny toerana Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny fanaraha-maso. DH: "Nomeny anao ny fanaraha-maso eo amin'ny toerana" # ny toerana honenan'ny olombelona Ny toerana dia nampiasaina mba hanehoana ny olona izay nonina tao. DH: "Ny vahoakan'ny tany" # nomeny teo am-pelatananao ireo biby... ny voron'ny lanitra Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny fanaraha-maso. DH: "Nomeny anao ny fandrindrana eo amin'ireo bibin'ny saha sy ny voron'ny lanitra" # Ianao no lohan'ny sarivongana volamena Tao amin'ny nofin'ny mpanjaka ny lohann'y sarivongana dia naneho ny mpanjaka. DH: "Ny loha volamena dia manambara anao" na "Ny loha volamena dia fanambarana anao sy ny herinao"