plt_tn/act/20/25.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Nanohy niresaka tamin'ireo loholona Efesianina i Paoly.

izay nanambarako ny fanjakana, no tsy hahita ny tarehiko intsony.

Eto ny "fanjakana" dia manondro ny fitondran'Andriamanitra amin'ny maha mpanjaka Azy. DH: "izay nitoriako ny momba ny fanjakan'Andriamanitra ho mpanjaka" na "izay nitoriako momba ny fomba hanehoan'Andriamanitra ny tenany ho mpanjaka"

tsy hahita ny tarehiko intsony.

Ny teny "tarehy" dia maneho ny vatan'i Paoly. DH: "Tsy ahita ahy intsony eto amin'ity tany ity"

izaho dia tsy manan-tsiny amin'ny ràn'ny olona

Eto ny "rà" dia manambara ny fahafatesan'ny olona, izay amin'ity tranga ity, dia tsy fahafatesana ara-batana fa fahafatesana ara-panahy rehefa manondro ny olona iray ho meloka nohony fahotana Andriamanitra. Nolazain'i Paoly tamin'izy ireo ny fahamarinan'Andriamanitra. DH: "Izaho dia tsy tompon'andraikitra amin'izay homen'Andriamanitra tsiny noho ny fahotana satria tsy nahatoky an'i Jesosy izy ireo"

Fa tsy nafeniko taminareo ny fanambarana ny sitrapon'Andriamanitra rehetra

Satria tsy nangina aho ary nanambara taminareo." DH: "Fa efa nanambara taminareo aho"