# Fampifandraisana ny foto-kevitra Nanohy niresaka tamin'ireo loholona Efesianina i Paoly. # izay nanambarako ny fanjakana, no tsy hahita ny tarehiko intsony. Eto ny "fanjakana" dia manondro ny fitondran'Andriamanitra amin'ny maha mpanjaka Azy. DH: "izay nitoriako ny momba ny fanjakan'Andriamanitra ho mpanjaka" na "izay nitoriako momba ny fomba hanehoan'Andriamanitra ny tenany ho mpanjaka" # tsy hahita ny tarehiko intsony. Ny teny "tarehy" dia maneho ny vatan'i Paoly. DH: "Tsy ahita ahy intsony eto amin'ity tany ity" # izaho dia tsy manan-tsiny amin'ny ràn'ny olona Eto ny "rà" dia manambara ny fahafatesan'ny olona, izay amin'ity tranga ity, dia tsy fahafatesana ara-batana fa fahafatesana ara-panahy rehefa manondro ny olona iray ho meloka nohony fahotana Andriamanitra. Nolazain'i Paoly tamin'izy ireo ny fahamarinan'Andriamanitra. DH: "Izaho dia tsy tompon'andraikitra amin'izay homen'Andriamanitra tsiny noho ny fahotana satria tsy nahatoky an'i Jesosy izy ireo" # Fa tsy nafeniko taminareo ny fanambarana ny sitrapon'Andriamanitra rehetra Satria tsy nangina aho ary nanambara taminareo." DH: "Fa efa nanambara taminareo aho"