plt_tn/act/17/24.md

905 B

izao tontolo izao

Amin'ny ankapobeny ny "izao tontolo izao" dia manondro ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra ao aminy.

satria Tompo

"satria izy no Tompo." Eto ny "izy" dia miresaka momba ilay andriamanitra tsy fantatra anarana voalaza ao amin'ny 17:22 izay hazavain'i Paoly fa izy no Tompo Andriamanitra.

Tompon'ny lanitra sy ny tany Izy

Ny teny hoe "lanitra" sy "tany" dia ampiasaina miaraka mba midika hoe zavona sy zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

Na izy tsy notompoina tamin'ny tanan'olona

Ny "fanompoana" eto dia manana ny hevitry ny dokotera manasitrana marary iray mba hahasalama tsara ilay marary. DH: "Na ny tànan'ny olona aza tsy mikarakara azy"

tamin'ny tanan'olona

Eto ny "tanana" dia manambara ny olona iray manontolo. DH: "Tamin'ny olombelona"

satria izy tenany

"satria izy tenany mihitsy." Ny teny hoe "tenany" dia manampy amin'ny fanamafisana.