# izao tontolo izao Amin'ny ankapobeny ny "izao tontolo izao" dia manondro ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra ao aminy. # satria Tompo "satria izy no Tompo." Eto ny "izy" dia miresaka momba ilay andriamanitra tsy fantatra anarana voalaza ao amin'ny 17:22 izay hazavain'i Paoly fa izy no Tompo Andriamanitra. # Tompon'ny lanitra sy ny tany Izy Ny teny hoe "lanitra" sy "tany" dia ampiasaina miaraka mba midika hoe zavona sy zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany. # Na izy tsy notompoina tamin'ny tanan'olona Ny "fanompoana" eto dia manana ny hevitry ny dokotera manasitrana marary iray mba hahasalama tsara ilay marary. DH: "Na ny tànan'ny olona aza tsy mikarakara azy" # tamin'ny tanan'olona Eto ny "tanana" dia manambara ny olona iray manontolo. DH: "Tamin'ny olombelona" # satria izy tenany "satria izy tenany mihitsy." Ny teny hoe "tenany" dia manampy amin'ny fanamafisana.