plt_tn/act/10/09.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Mivadika any amin' Kornelio ny tantara mba hilazana antsika izay nataon'Andriamanitra niaraka tamin'i Petera.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Eto ny teny "izy ireo"dia manondro an'ireo mpanompo roa an'i Kornelio sy ilay miaramila teo ambanin'ny baikony.

nanodidina ny ora faha-enina

"nanodidina ny folak'andro"

niakatra teny ambony tafon-trano

Ny tafon'ireo dia fisaka ary matetika ireo olona no manao karazana hetsika maro eny.

mbola teo am-pandrahoana sakafo ny olona

"mialohan'ny nahamasaka ny sakafo"

nahita fahitana izy

"nomen'Andriamanitra fahitana izy" na "nanana fahitana izy"

nahita ny lanitra nisokatra

Io no fiantombohan'ny fahitan'i Petera. Izany dia azo atao fehezanteny vaovao.

toy ny lamba be midina ety an-tany, ampidinina amin'ny zorony efatra

Ilay fitoerana ireo biby dia nanana endrika toy ny lamba manana zorony efatra

ampidinina amin'ny zorony efatra

"niaraka tamin'ireo zorony efatra izay niantona" na "niaraka tamin'ireo zorony efatra izay avo mihoatra ny ambony"

karazam-biby manan-tongotra efatra sy zavatra izay mandady rehetra eto an-tany, ary ny voron'ny lanitra

biby manan-tongotra ... voron'ny lanitra- Raha ny valintenin'i Petera ao amin'ny andininy manaraka dia mety azo nadika fa ny lalàn'i Mosesy dia nandidy ireo Jiosy mba tsy hinana ny sasany amin'izy ireo. DH: "biby aman-borona izay noraran'ny lalàn'i Mosesy tsy hoanin'ireo Jiosy"