plt_tn/3jn/01/09.md

976 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny teny hoe "anay" dia manondro an'i Jaona sy ireo niaraka taminy ary tsy anisany i Galo.

Fiangonana

Izany dia manondro an'i Galo ary ny vondron'ireo mpino izay miara-mivory mba hivavaka amin'Andriamanitra.

Diotrefa

Izy dia mpikambana tao amin'ny fiangonana.

Ilay te-ho lohany amin'izy ireo

"Ilay te ho manan-danja indrindra amin'izy ireo" na "ilay tia manao zavatra tahaka ny hoe izy no mpitarika azy ireo."

Ny fomba nilazany zavatra mahatsiravina manohitra anay miaraka amin'ny teny ratsy

"ary ny fomba nilazany zavatra ratsy mahakasika anay izay tsy marina tokoa."

Izy tenany

Ny teny hoe "tenany" dia manamafy fa i Diotrefa no nanao ireny zavatra ireny.

Tsy nandray ireo rahalahy

"Tsy nandray ireo mpiray finoana."

Nandrara ireo izay te-hanao toy izany

"Izy dia nanakana ireo izay naniry ny handray ireo mpino."

Nandroaka azy ireo hivoaka ny fiangonana

"Ary nanery azy ireo hiala amin'ny fiangonana."