plt_tn/2th/03/06.md

44 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Paoly dia nanome toromarika vitsivitsy farany ireo mpino mahakasika ny fiasana sy ny tsy fahakamoana.
# Ankehitriny
Paoly dia nampiasa io teny io eto mba hanamarihana ny fiovan'ny lohahevitra.
# Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika
"Amin'ny alalan'ny fahefan'i Jesosy."
# Rahalahy
Eto ny hoe: "rahalahy" dia midika hoe Kristiana namana, anisan'izany ny lehilahy sy vehivavy. DH: "ireo rahalahy sy ireo anabavy."
# Tompontsika
Eto ny hoe: "antsika" dia manondro ireo mpino rehetra.
# Miaina ao anatin'ny hakamoana
"Kamo ary tsy mety miasa."
# Maka tahaka anay
"Manao tahaka an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy" na "manana fitondran-tena tahaka an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy."
# Tsy niaina teo anivonareo tahaka ireo izay tsy nanana fitsipika izahay
DH: "Izahay dia miaina eo anivonareo toy ireo efa nahazo fitsipika."
# Niasa andro aman'alina izahay
"Izahay dia niasa andro aman'alina" na "miasa mandrakariva izahay."
# Tamin'ny asa sarotra sy ny zava-tsarotra
Paoly dia nanamafy ny fahasarotan'ny toe-javatra. Ny asa sarotra dia mitaky asa izay mila ezaka mafy. Ny zava-tsarotra dia midika hoe miaritra fahoriana sy fijaliana izy ireo. DH: "amin'ny toe-javatra sarotra indrindra."
# Tsy hoe nohon'ny tsy fananana fahefana no nanaovanay izany
DH: "Azo antoka fa manana fahefana isika."