plt_tn/2th/03/06.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Paoly dia nanome toromarika vitsivitsy farany ireo mpino mahakasika ny fiasana sy ny tsy fahakamoana.

Ankehitriny

Paoly dia nampiasa io teny io eto mba hanamarihana ny fiovan'ny lohahevitra.

Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika

"Amin'ny alalan'ny fahefan'i Jesosy."

Rahalahy

Eto ny hoe: "rahalahy" dia midika hoe Kristiana namana, anisan'izany ny lehilahy sy vehivavy. DH: "ireo rahalahy sy ireo anabavy."

Tompontsika

Eto ny hoe: "antsika" dia manondro ireo mpino rehetra.

Miaina ao anatin'ny hakamoana

"Kamo ary tsy mety miasa."

Maka tahaka anay

"Manao tahaka an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy" na "manana fitondran-tena tahaka an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy."

Tsy niaina teo anivonareo tahaka ireo izay tsy nanana fitsipika izahay

DH: "Izahay dia miaina eo anivonareo toy ireo efa nahazo fitsipika."

Niasa andro aman'alina izahay

"Izahay dia niasa andro aman'alina" na "miasa mandrakariva izahay."

Tamin'ny asa sarotra sy ny zava-tsarotra

Paoly dia nanamafy ny fahasarotan'ny toe-javatra. Ny asa sarotra dia mitaky asa izay mila ezaka mafy. Ny zava-tsarotra dia midika hoe miaritra fahoriana sy fijaliana izy ireo. DH: "amin'ny toe-javatra sarotra indrindra."

Tsy hoe nohon'ny tsy fananana fahefana no nanaovanay izany

DH: "Azo antoka fa manana fahefana isika."