# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Paoly dia nanome toromarika vitsivitsy farany ireo mpino mahakasika ny fiasana sy ny tsy fahakamoana. # Ankehitriny Paoly dia nampiasa io teny io eto mba hanamarihana ny fiovan'ny lohahevitra. # Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika "Amin'ny alalan'ny fahefan'i Jesosy." # Rahalahy Eto ny hoe: "rahalahy" dia midika hoe Kristiana namana, anisan'izany ny lehilahy sy vehivavy. DH: "ireo rahalahy sy ireo anabavy." # Tompontsika Eto ny hoe: "antsika" dia manondro ireo mpino rehetra. # Miaina ao anatin'ny hakamoana "Kamo ary tsy mety miasa." # Maka tahaka anay "Manao tahaka an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy" na "manana fitondran-tena tahaka an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy." # Tsy niaina teo anivonareo tahaka ireo izay tsy nanana fitsipika izahay DH: "Izahay dia miaina eo anivonareo toy ireo efa nahazo fitsipika." # Niasa andro aman'alina izahay "Izahay dia niasa andro aman'alina" na "miasa mandrakariva izahay." # Tamin'ny asa sarotra sy ny zava-tsarotra Paoly dia nanamafy ny fahasarotan'ny toe-javatra. Ny asa sarotra dia mitaky asa izay mila ezaka mafy. Ny zava-tsarotra dia midika hoe miaritra fahoriana sy fijaliana izy ireo. DH: "amin'ny toe-javatra sarotra indrindra." # Tsy hoe nohon'ny tsy fananana fahefana no nanaovanay izany DH: "Azo antoka fa manana fahefana isika."