plt_tn/2sa/24/01.md

955 B

Dia nirehitra tamin'Israely indray ny fahatezeran'i Yaveh

Ny teny hoe "nirehitra" dia midika hoe nandrehitra afo. Eto ny hatezeran'i Yaveh dia ampitahaina amin'ny an'ny afo. DH: "nanomboka nirehitra tahaka ny afo ny hatezeran'i Yaveh"

nataony nanohitra azy ireo i Davida

"nahatonga an'i Davida hanohitra azy ireo Izy"

Mandehana, isao Israely sy Joda

Amin'ny lalàn'i Mosesy, dia nandrara ireo mpanjakan'Israely tsy haka ny fanisana ireo lehilahy mpiady Andriamanitra. Ny tena dika fenon'io fehezanteny io dia afaka azavaina.

manomboka any Dana ka hatrany Beri-sheba

Io andianteny io dia mampiasa anaran-toerana roa antsoina hoe Dana, any amin'ny farany avaratra, sy Beriseba, any amin'ny farany atsimo, mba hanondroana ny tanàna manontolo.

isao ny olona rehetra...sahaza ho an'ny ady

Izany dia midika hoe manisa ny lehilahy rehetra afa-tsy ireo lehilahy izay na tanora loatra, na antitra loatra, na tsy afaka miady noho ny toe-batany.