# Dia nirehitra tamin'Israely indray ny fahatezeran'i Yaveh Ny teny hoe "nirehitra" dia midika hoe nandrehitra afo. Eto ny hatezeran'i Yaveh dia ampitahaina amin'ny an'ny afo. DH: "nanomboka nirehitra tahaka ny afo ny hatezeran'i Yaveh" # nataony nanohitra azy ireo i Davida "nahatonga an'i Davida hanohitra azy ireo Izy" # Mandehana, isao Israely sy Joda Amin'ny lalàn'i Mosesy, dia nandrara ireo mpanjakan'Israely tsy haka ny fanisana ireo lehilahy mpiady Andriamanitra. Ny tena dika fenon'io fehezanteny io dia afaka azavaina. # manomboka any Dana ka hatrany Beri-sheba Io andianteny io dia mampiasa anaran-toerana roa antsoina hoe Dana, any amin'ny farany avaratra, sy Beriseba, any amin'ny farany atsimo, mba hanondroana ny tanàna manontolo. # isao ny olona rehetra...sahaza ho an'ny ady Izany dia midika hoe manisa ny lehilahy rehetra afa-tsy ireo lehilahy izay na tanora loatra, na antitra loatra, na tsy afaka miady noho ny toe-batany.