plt_tn/2sa/23/05.md

992 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity dia manohy ny tenin'i Davida farany.

Eny tokoa, tsy tahaka izany eo anatrehan'Andriamanitra ve ny ankohonako?

Eto i Davida dia milaza fa manaiky an'Andriamanitra izy. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ny fianakaviako dia tahaka izany tokoa eo anatrehan'Andriamanitra!"

Tsy efa nanao...fomba rehetra tamiko ve Izy?

Miaiky i Davida fa efa nanao fanekena taminy Andriamanitra. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Efa nanao...fomba tokoa Izy."

voalahatra sy azo antoka

Io dia midika fa voalahatra tsara ary tsy hiova ny faneken'Andriamanitra ka afaka ny hatoky izany ny fianakavian'i Davida.

Moa tsy mampitombo ny famonjena ahy...ny faniriako rehetra ve Izy?

Mino i Davida fa hanampy sy hampiroborobo azy mandrakariva Andriamanitra. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Hampitombo ny famonjena ahy sy hanome ny faniriako rehetra Izy."