# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity dia manohy ny tenin'i Davida farany. # Eny tokoa, tsy tahaka izany eo anatrehan'Andriamanitra ve ny ankohonako? Eto i Davida dia milaza fa manaiky an'Andriamanitra izy. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ny fianakaviako dia tahaka izany tokoa eo anatrehan'Andriamanitra!" # Tsy efa nanao...fomba rehetra tamiko ve Izy? Miaiky i Davida fa efa nanao fanekena taminy Andriamanitra. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Efa nanao...fomba tokoa Izy." # voalahatra sy azo antoka Io dia midika fa voalahatra tsara ary tsy hiova ny faneken'Andriamanitra ka afaka ny hatoky izany ny fianakavian'i Davida. # Moa tsy mampitombo ny famonjena ahy...ny faniriako rehetra ve Izy? Mino i Davida fa hanampy sy hampiroborobo azy mandrakariva Andriamanitra. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Hampitombo ny famonjena ahy sy hanome ny faniriako rehetra Izy."