plt_tn/2sa/22/32.md

16 lines
684 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
# Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Yaveh, ary iza no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?
Mampiasa io fanontaniana io i Davida mba hanindriana fa tsy misy Andriamanitra ankoatra an'i Yaveh. Ireo dia mety adika ho fehezanteny. DH: "Yaveh irery ihany no Andriamanitra. Ny Andriamanitsika irery ihany no vatolampy."
# iza no vatolampy
Ampitahain'i Davida amin'ny vatolampy i Yaveh mba hanindriana ny heriny sy ny fahafahany miaro ny vahoakany.
# mitarika ny olona tsy manan-tsiny amin'ny lalany Izy
Mitandrina ny olona tsy manan-tsiny sy manala ny zavatra rehetra izay mety hanisy ratsy azy i Yaveh.