# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida. # Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Yaveh, ary iza no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika? Mampiasa io fanontaniana io i Davida mba hanindriana fa tsy misy Andriamanitra ankoatra an'i Yaveh. Ireo dia mety adika ho fehezanteny. DH: "Yaveh irery ihany no Andriamanitra. Ny Andriamanitsika irery ihany no vatolampy." # iza no vatolampy Ampitahain'i Davida amin'ny vatolampy i Yaveh mba hanindriana ny heriny sy ny fahafahany miaro ny vahoakany. # mitarika ny olona tsy manan-tsiny amin'ny lalany Izy Mitandrina ny olona tsy manan-tsiny sy manala ny zavatra rehetra izay mety hanisy ratsy azy i Yaveh.