plt_tn/2sa/22/13.md

974 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.

Avy tamin'ny tselatra teo anatrehany...tsela-pahazavana ka nanaparitaka azy ireo

Mbola manohy manoritsoritra an'i Yaveh, izay ampitahainy amin'ny tafio-drivotra, tonga mba hanavotra azy amin'ireo fahavalony i Davida. Io dia manindry ny herin'Andriamanitra sy ny hatezerany amin'ireo fahavalon'i Davida.

Avy tamin'ny tselatra teo anatrehany no nilatsahan'ny vain'afo

Ireo mety ho heviny dia 1) "Avy ao amin'ny hazavan'ny tselatra no nandefasany vain'afo" na 2) "Avy amin'ny fahazavany no nandefasany tselatra"

Nihiaka mafy ilay Avo Indrindra. Nandefa zana-tsipìka Izy

Manoritsoritra an'i Yaveh manao ireo fihetsika fataon'ny olona ireo i Davida.

Nandefa zana-tsipìka Izy...nandefa tsela-pahazavana

Mampitaha ny tselatra avy amin'ny tafiotran'i Yaveh amin'ny zana-tsipìka izay ampiasain'ny miaramila i Davida.