# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy. # Avy tamin'ny tselatra teo anatrehany...tsela-pahazavana ka nanaparitaka azy ireo Mbola manohy manoritsoritra an'i Yaveh, izay ampitahainy amin'ny tafio-drivotra, tonga mba hanavotra azy amin'ireo fahavalony i Davida. Io dia manindry ny herin'Andriamanitra sy ny hatezerany amin'ireo fahavalon'i Davida. # Avy tamin'ny tselatra teo anatrehany no nilatsahan'ny vain'afo Ireo mety ho heviny dia 1) "Avy ao amin'ny hazavan'ny tselatra no nandefasany vain'afo" na 2) "Avy amin'ny fahazavany no nandefasany tselatra" # Nihiaka mafy ilay Avo Indrindra. Nandefa zana-tsipìka Izy Manoritsoritra an'i Yaveh manao ireo fihetsika fataon'ny olona ireo i Davida. # Nandefa zana-tsipìka Izy...nandefa tsela-pahazavana Mampitaha ny tselatra avy amin'ny tafiotran'i Yaveh amin'ny zana-tsipìka izay ampiasain'ny miaramila i Davida.