plt_tn/2sa/22/08.md

975 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.

Dia nihozona sy nihovitra ny tany...Voarehitr'izany

Io dia valinten'i Yaveh ny antso vonjin'i Davida hanala ireo fahavalony. Mampiasa ny sarinteny hoe tany mihozona sy afo avy amin'i Yaveh i Davida mba hanindriana fa tena tezitra i Yaveh.

nihozona sy nihovitra ny tany...voahozongozona ny fiorenan'ny lanitra

Miresaka ireo farany roa ireo mba hampidirana ny zava-boary rehetra.

voahozongozona ny fiorenan'ny lanitra, satria tezitra Andriamanitra

DH: "fa nanozona ireo ny hatezeran'Andriamanitra"

vavorony...vavany

Resahin'i Davida toy ny hoe nisy rantsam-batana Izy.

Voarehitr'izany ny vain'afo

Eto ny hatezeran'i Yaveh dia ampitahaina amin'ny afo, izay mandrehitra ny vain'afo sy mandoro. DH: "Ny lela afo avy ao am-bavany dia mandrehitra ny vain'afo" na "Mandefa vain'afo avy amin'ny vavany ihany koa Izy"