plt_tn/2sa/21/18.md

720 B

Ary taorian'io

Io andianteny io dia manamarika ny fiantombohan'ny fizarana vaovao ao amin'ny tantara. Raha misy fomba hanaovana izany ny fiteninao, dia afaka mampiasa izany eto ianao.

Goba

Io dia anaran-tanàna.

Sibeka...Safa...Elanana zanaka lahin'i Jare...Goliata

Ireo dia anaran-dehilahy.

Hosatita...Refaita...Betlehemita...Gatita

Ireo dia anarana vondron'olona.

Refaita

Io vondron'olona io dia fantatra amin'ireo mpiadiny tena vaventy.

izay toy ny vodi-tenon'ny mpanenona ny lefony

Rehefa manao akanjo voatenona ny olona iray dia hanatsofoka ny kofehy amin'ny farango mifatotra amin'ny tapa-kazo lava antsoina hoe "vodi-tenona". Io dia midika fa lava noho ny tokony ho izy ny lefon'i Goliata.