plt_tn/2sa/18/01.md

1.0 KiB

Nanisa ireo miaramila izay niaraka taminy i Davida ary nanendry

Tsy i Davida mihitsy no nanisa ny vahoaka rehetra, fa olon-kafa no nanisy azy ireo. DH: "Nandidy ireo miaramila izay niaraka taminy mba ho isaina sy ho tendrena i Davida" na "Nandamina ireo miaramila izay niaraka taminy i Davida ary nanendry"

kapiteny

Ny kapiteny dia olona izay ao amin'ny fahefana hanapaka vondrona miaramila.

ampahatelony...ampahatelony iray hafa

Ny "ampahatelo" dia andiany iray anatin'ny andiany telo mitovy.

Abisay...Zeroia

Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:18 ihany ireo anaran-dehilahy ireo.

Itahy

Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:19 ihany io anaran-dehilahy io.

Gatita

Io dia manondro olona avy any Gata, izay tanàn'ny Filistina iray.

Izaho ihany koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa

Io dia midika fa hivoaka hiaraka amin'izy ireo mba hiady izy. Io dia afaka ambara mazava. DH: "Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminareo mba hiady" (UDB) na "Izaho tenako no handeha hiaraka aminareo ho any an'ady"