# Nanisa ireo miaramila izay niaraka taminy i Davida ary nanendry Tsy i Davida mihitsy no nanisa ny vahoaka rehetra, fa olon-kafa no nanisy azy ireo. DH: "Nandidy ireo miaramila izay niaraka taminy mba ho isaina sy ho tendrena i Davida" na "Nandamina ireo miaramila izay niaraka taminy i Davida ary nanendry" # kapiteny Ny kapiteny dia olona izay ao amin'ny fahefana hanapaka vondrona miaramila. # ampahatelony...ampahatelony iray hafa Ny "ampahatelo" dia andiany iray anatin'ny andiany telo mitovy. # Abisay...Zeroia Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:18 ihany ireo anaran-dehilahy ireo. # Itahy Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:19 ihany io anaran-dehilahy io. # Gatita Io dia manondro olona avy any Gata, izay tanĂ n'ny Filistina iray. # Izaho ihany koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa Io dia midika fa hivoaka hiaraka amin'izy ireo mba hiady izy. Io dia afaka ambara mazava. DH: "Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminareo mba hiady" (UDB) na "Izaho tenako no handeha hiaraka aminareo ho any an'ady"