plt_tn/2sa/18/01.md

28 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Nanisa ireo miaramila izay niaraka taminy i Davida ary nanendry
Tsy i Davida mihitsy no nanisa ny vahoaka rehetra, fa olon-kafa no nanisy azy ireo. DH: "Nandidy ireo miaramila izay niaraka taminy mba ho isaina sy ho tendrena i Davida" na "Nandamina ireo miaramila izay niaraka taminy i Davida ary nanendry"
# kapiteny
Ny kapiteny dia olona izay ao amin'ny fahefana hanapaka vondrona miaramila.
# ampahatelony...ampahatelony iray hafa
Ny "ampahatelo" dia andiany iray anatin'ny andiany telo mitovy.
# Abisay...Zeroia
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:18 ihany ireo anaran-dehilahy ireo.
# Itahy
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:19 ihany io anaran-dehilahy io.
# Gatita
Io dia manondro olona avy any Gata, izay tanàn'ny Filistina iray.
# Izaho ihany koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa
Io dia midika fa hivoaka hiaraka amin'izy ireo mba hiady izy. Io dia afaka ambara mazava. DH: "Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminareo mba hiady" (UDB) na "Izaho tenako no handeha hiaraka aminareo ho any an'ady"