plt_tn/2sa/09/11.md

959 B

Ho ataon'ny mpanomponao izay rehetra andidian'ilay mpanjaka tompoko ny mpanompony

I Ziba dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ary manondro an'i Davida amin'ny hoe "tompoko". DH: "Izaho, mpanomponao dia hanao ny rehetra izay andidianao ahy ho ataoko, ry mpanjakako"

Mika

Io dia anaran'ny zanaka lahin'i Mefiboseta.

rehetra izay nipetraka tao an-tranon'i Ziba

Eto ny hoe "trano" dia manambara ny fianakavian'i Ziba. DH: "ny rehetra ao amin'ny fianakavian'i Ziba"

nihinana teo an-databatry ny mpanjaka mandrakariva izy

Eto ny hoe "latabatro'' dia manambara ny fiarahana amin'i Davida na hoe eo anatrehany. Ny fihinana miaraka amin'ny mpanjaka eo an-databany dia tena voninahitra lehibe tokoa. DH: "hihinana miaraka amin'ny mpanjaka mandrakariva eo an-databany izy"

na dia nalemy aza ny tongony roa

"na dia simba aza ny tongony roa". Eto ny hoe "tongotra" dia manambara ny fahafahana mandeha. DH: "na dia tsy afaka mandeha aza izy"