# Ho ataon'ny mpanomponao izay rehetra andidian'ilay mpanjaka tompoko ny mpanompony I Ziba dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ary manondro an'i Davida amin'ny hoe "tompoko". DH: "Izaho, mpanomponao dia hanao ny rehetra izay andidianao ahy ho ataoko, ry mpanjakako" # Mika Io dia anaran'ny zanaka lahin'i Mefiboseta. # rehetra izay nipetraka tao an-tranon'i Ziba Eto ny hoe "trano" dia manambara ny fianakavian'i Ziba. DH: "ny rehetra ao amin'ny fianakavian'i Ziba" # nihinana teo an-databatry ny mpanjaka mandrakariva izy Eto ny hoe "latabatro'' dia manambara ny fiarahana amin'i Davida na hoe eo anatrehany. Ny fihinana miaraka amin'ny mpanjaka eo an-databany dia tena voninahitra lehibe tokoa. DH: "hihinana miaraka amin'ny mpanjaka mandrakariva eo an-databany izy" # na dia nalemy aza ny tongony roa "na dia simba aza ny tongony roa". Eto ny hoe "tongotra" dia manambara ny fahafahana mandeha. DH: "na dia tsy afaka mandeha aza izy"