plt_tn/2sa/07/21.md

1.3 KiB

Nohon'ny amin'ny teninao

Eto ny hoe "teny" dia manambara izay nampanantenain'Andriamanitra fa hataony. DH: "Noho izay nampanantenainao hatao"

mba hahatanteraka ny tanjonao manokana

"mba hanatanteraka izay nokasainao hatao"

tamin'ny mpanomponao

Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" i Davida. DH: "amiko"

araka izay ren'ny sofinay ihany

Ny andianteny hoe "sofinay ihany" dia nampiasaina mba hanindriana. DH: "araka ny efa renay"

izay ren'ny sofinay ihany

Eto ny hoe "-nay" dia manondro an'i Davida sy ny firenen'ny Israely. DH: "araka ny efa renay"

Inona no firenena toa an'Israely vahoakanao, ilay firenena eto an-tany izay, nalehanao Andriamanitra sy novonjenao ho an'ny tenanao?

Mampiasa fanontaniana i Davida mba hanindriana fa tsy misy firenena hafa tahaka ny Israely. DH: "Tsy misy firenena tahaka ny Israely vahoakanao, firenena iray eto an-tany izay Ianao, Andriamanitra o, no nandeha sy namonjy tamin'ny tenanao".

mba hanao anarana ho an'ny tenanao

Eto ny hoe "anarana" dia manambara ny lazan'i Yaveh. DH: "mba hampafantaranao ny olonao rehetra hoe iza Ianao"

ho an'ny taninao

Eto ny hoe "tany" dia manambara ny vahoaka. DH: "ho an'ny vahoakanao"

Nandroaka ireo firenena

Eto ny hoe "firenena" dia manambara ireo vondron'olona izay nipetraka tao Kanana.