# Nohon'ny amin'ny teninao Eto ny hoe "teny" dia manambara izay nampanantenain'Andriamanitra fa hataony. DH: "Noho izay nampanantenainao hatao" # mba hahatanteraka ny tanjonao manokana "mba hanatanteraka izay nokasainao hatao" # tamin'ny mpanomponao Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" i Davida. DH: "amiko" # araka izay ren'ny sofinay ihany Ny andianteny hoe "sofinay ihany" dia nampiasaina mba hanindriana. DH: "araka ny efa renay" # izay ren'ny sofinay ihany Eto ny hoe "-nay" dia manondro an'i Davida sy ny firenen'ny Israely. DH: "araka ny efa renay" # Inona no firenena toa an'Israely vahoakanao, ilay firenena eto an-tany izay, nalehanao Andriamanitra sy novonjenao ho an'ny tenanao? Mampiasa fanontaniana i Davida mba hanindriana fa tsy misy firenena hafa tahaka ny Israely. DH: "Tsy misy firenena tahaka ny Israely vahoakanao, firenena iray eto an-tany izay Ianao, Andriamanitra o, no nandeha sy namonjy tamin'ny tenanao". # mba hanao anarana ho an'ny tenanao Eto ny hoe "anarana" dia manambara ny lazan'i Yaveh. DH: "mba hampafantaranao ny olonao rehetra hoe iza Ianao" # ho an'ny taninao Eto ny hoe "tany" dia manambara ny vahoaka. DH: "ho an'ny vahoakanao" # Nandroaka ireo firenena Eto ny hoe "firenena" dia manambara ireo vondron'olona izay nipetraka tao Kanana.