plt_tn/2sa/07/06.md

16 lines
1.2 KiB
Markdown

# moa nilaza na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely izay notondroiko hiandry ny Israely vahoakako ve Aho, nanao hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanamboatra trano sedara ho Ahy?
Io dia farango sosona anaty farango sosona. DH: "Tsy mbola nangataka tamin'ny iray tamin'ireo mpitarika, izay notondroiko, mba hanamboatra tempoly amin'ny hazo sedara ho Ahy Aho."
# moa nilaza na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely
Mampiasa io fanontaniana io i Yaveh mba hanindriana fa tsy mbola nangataka tamin'ny iray amin'ireo mpitarika ny Israely mba hanangana trano ho Azy Izy. DH: "Tsy mbola nilaza zavatra tamin'ny iray amin'ireo mpitarika ireo Israely Aho"
# Nahoana ianareo no tsy nanamboatra trano sedara ho Ahy?
Raha nametraka io fanontaniana io tamin'ireo mpitarika i Yaveh, dia nampiasa fanontaniana Izy mba hibedesana azy ireo tamin'ny tsy nananganana trano sedara ho Azy. Nefa, niteny i Yaveh teo aloha fa tsy nametraka izany fanontaniana izany tamin'izy ireo Izy. DH: "Tokony nanangana trano sedara ho Ahy ianareo."
# izay notondroiko hiandry ny Israely vahoakako
Ireo izay mpitarika ny vahoakan'ny Israely dia resahina toy ny hoe mpiandry ondry izy ireo ary ondry ny vahoaka.