plt_tn/2sa/07/06.md

1.2 KiB

moa nilaza na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely izay notondroiko hiandry ny Israely vahoakako ve Aho, nanao hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanamboatra trano sedara ho Ahy?

Io dia farango sosona anaty farango sosona. DH: "Tsy mbola nangataka tamin'ny iray tamin'ireo mpitarika, izay notondroiko, mba hanamboatra tempoly amin'ny hazo sedara ho Ahy Aho."

moa nilaza na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely

Mampiasa io fanontaniana io i Yaveh mba hanindriana fa tsy mbola nangataka tamin'ny iray amin'ireo mpitarika ny Israely mba hanangana trano ho Azy Izy. DH: "Tsy mbola nilaza zavatra tamin'ny iray amin'ireo mpitarika ireo Israely Aho"

Nahoana ianareo no tsy nanamboatra trano sedara ho Ahy?

Raha nametraka io fanontaniana io tamin'ireo mpitarika i Yaveh, dia nampiasa fanontaniana Izy mba hibedesana azy ireo tamin'ny tsy nananganana trano sedara ho Azy. Nefa, niteny i Yaveh teo aloha fa tsy nametraka izany fanontaniana izany tamin'izy ireo Izy. DH: "Tokony nanangana trano sedara ho Ahy ianareo."

izay notondroiko hiandry ny Israely vahoakako

Ireo izay mpitarika ny vahoakan'ny Israely dia resahina toy ny hoe mpiandry ondry izy ireo ary ondry ny vahoaka.