# moa nilaza na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely izay notondroiko hiandry ny Israely vahoakako ve Aho, nanao hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanamboatra trano sedara ho Ahy? Io dia farango sosona anaty farango sosona. DH: "Tsy mbola nangataka tamin'ny iray tamin'ireo mpitarika, izay notondroiko, mba hanamboatra tempoly amin'ny hazo sedara ho Ahy Aho." # moa nilaza na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely Mampiasa io fanontaniana io i Yaveh mba hanindriana fa tsy mbola nangataka tamin'ny iray amin'ireo mpitarika ny Israely mba hanangana trano ho Azy Izy. DH: "Tsy mbola nilaza zavatra tamin'ny iray amin'ireo mpitarika ireo Israely Aho" # Nahoana ianareo no tsy nanamboatra trano sedara ho Ahy? Raha nametraka io fanontaniana io tamin'ireo mpitarika i Yaveh, dia nampiasa fanontaniana Izy mba hibedesana azy ireo tamin'ny tsy nananganana trano sedara ho Azy. Nefa, niteny i Yaveh teo aloha fa tsy nametraka izany fanontaniana izany tamin'izy ireo Izy. DH: "Tokony nanangana trano sedara ho Ahy ianareo." # izay notondroiko hiandry ny Israely vahoakako Ireo izay mpitarika ny vahoakan'ny Israely dia resahina toy ny hoe mpiandry ondry izy ireo ary ondry ny vahoaka.