plt_tn/2sa/01/14.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown

# Nahoana ianao no tsy natahotra namono ny mpanjaka voahosotr'i Yaveh...tanana?
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hibedesana ilay lehilahy. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Tokony natahotra an'i Yaveh ianao ka tsy namono ny voahosony...tanana!"
# mpanjaka voahosotr'i Yaveh
Io sarinteny io dia manondro an'i Saoly, izay voafidin'Andriamanitra ara-pomba.
# tamin'ny tananao ihany
Io andianteny io dia manondro ny fanaovanao zavatra. DH: "ianao" na "ianao manokana"
# namely azy
Io fomba fiteny io dia midika hoe "namono azy".
# Eo amin'ny lohanao ny rànao
Eto ny hoe "rà" dia midika hoe "nandatsa-drà" ary nampiarahina tamin'ny fahafatesana. Eto ny hoe "ny lohanao" dia manondro ilay lehilahy ary midika fa tompon'andraikitra izy. DH: "Tompon'andraikitra amin'ny fahafatesanao ianao" na "Nahatonga ny fahafatesanao ihany ianao"
# ny vavanao ihany no vavolombelona nanohitra anao
Eto ny hoe "ny vavanao ihany" dia manondro ilay lehilahy. DH: "nijoro vavolombelona nanohitra ny tenanao ianao"