plt_tn/2pe/03/05.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown

# Ny lanitra sy ny tany dia nisy ... fotoana ela, nohon'ny didin'Andriamanitra
DH: "Andriamanitra dia nanao ny lanitra sy ny tany ... fotoana ela tamin'ny alalan'ny teniny."
# Nisy avy tamin'ny rano ary tamin'ny alalan'ny rano
Izany dia midika fa Andriamanitra dia nampiakatra ny tany avy ao anatin'ny rano, nanangona miaraka ny vatan-drano mba hampisy ny tany.
# Tamin'ny alalan'ireo zavatra ireo
Eto ny hoe: "ireo zavatra ireo" dia manondro ny teny nataon'Andriamanitra sy ny rano.
# Nandravàna ny tontolo tamin'izany fotoana izany, tamin'ny tondra-drano.
DH: "Andriamanitra dia nanondraka ny tontolo nisy tamin'izany fotoana izany tamin'ny rano ary nandrava azy."
# Ny lanitra sy ny tany dia natokana ho an'ny afo amin'ny alalan'io didy io ihany
DH: "Andriamanitra, tamin'ny alalan'io teny io ihany, dia nanokana ny lanitra sy ny tany ho an'ny afo."
# Io didy io ihany
Eto ny teny hoe: "didy" dia mijoro ho an'Andriamanitra, izay hanome ny baiko. DH: "Andriamanitra, izay hanome didy mitovy amin'izany."
# Voatokana ho amin'ny andron'ny fitsarana
DH: "Izy dia manokana azy ireo ho amin'ny andron'ny fitsarana."
# Amin'ny andron'ny fitsarana sy ny fandringanana ny olona ratsy fanahy
DH: "amin'ny andro hitsarany sy handringanany ny ratsy fanahy."