plt_tn/2pe/03/05.md

1.2 KiB

Ny lanitra sy ny tany dia nisy ... fotoana ela, nohon'ny didin'Andriamanitra

DH: "Andriamanitra dia nanao ny lanitra sy ny tany ... fotoana ela tamin'ny alalan'ny teniny."

Nisy avy tamin'ny rano ary tamin'ny alalan'ny rano

Izany dia midika fa Andriamanitra dia nampiakatra ny tany avy ao anatin'ny rano, nanangona miaraka ny vatan-drano mba hampisy ny tany.

Tamin'ny alalan'ireo zavatra ireo

Eto ny hoe: "ireo zavatra ireo" dia manondro ny teny nataon'Andriamanitra sy ny rano.

Nandravàna ny tontolo tamin'izany fotoana izany, tamin'ny tondra-drano.

DH: "Andriamanitra dia nanondraka ny tontolo nisy tamin'izany fotoana izany tamin'ny rano ary nandrava azy."

Ny lanitra sy ny tany dia natokana ho an'ny afo amin'ny alalan'io didy io ihany

DH: "Andriamanitra, tamin'ny alalan'io teny io ihany, dia nanokana ny lanitra sy ny tany ho an'ny afo."

Io didy io ihany

Eto ny teny hoe: "didy" dia mijoro ho an'Andriamanitra, izay hanome ny baiko. DH: "Andriamanitra, izay hanome didy mitovy amin'izany."

Voatokana ho amin'ny andron'ny fitsarana

DH: "Izy dia manokana azy ireo ho amin'ny andron'ny fitsarana."

Amin'ny andron'ny fitsarana sy ny fandringanana ny olona ratsy fanahy

DH: "amin'ny andro hitsarany sy handringanany ny ratsy fanahy."