plt_tn/2pe/02/10.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Petera dia nanomboka namaritra ireo toetran'ny olona tsy marina.

Marina indrindra izany

Ny teny hoe: "izany" dia manondro an'Andriamanitra izay mitazona ny olona tsy marina ao am-ponja mandra-pahatongan'ny fitsarana ao amin'ny 2:7

Ireo izay manohy amin'ny faniriana ratsin'ny nofo

Eto ny andian-teny hoe: "fanirian'ny nofo" dia manondro ireo faniriana avy amin'ny toetra maha-mpanota. DH: "ireo izay manohy mampihetsika ireo fanirian-dratsy, fanotana."

Manao tsinontsinona ny fahefana

"Mandà ny ho eo ambany fahefan'Andriamanitra." Eto ny teny hoe: "fahefana" angamba dia mety manondro ny fahefan'Andriamanitra.

Fahefana

Eto ny "fahefana" dia mijoro ho an'Andriamanitra, izay manana zo hanome didy ary hanasazy ny tsy fankatoavana.

Mitompo teny fatratra

"Manao izay rehetra tiany atao."

Ireo be voninahitra

izany andian-teny izany dia manondro ny fanahy, toy ny anjely sy demonia.

Hery sy fahefana lehibe

Mety ho dikany ho an'ireo izay voakasik'izany dia izao: 1) ireo be voninahitra na 2) ireo mpampianatra sandoka.

Izy ireo dia tsy mitondra fitsaràna maniratsira manohitra azy ireo

Ny teny hoe: "izy ireo" dia manondro ireo anjely. Ny mety ho dikan'ny teny hoe "izy ireo" dia izao: 1) ireo be voninahitra na 2) ireo mpampianatra sandoka.

Mitondra fitsaràna maniratsira manohitra azy ireo

Ny fiheverana fa ireo anjely dia mety hiampanga ireo olon-dratsy ireo dia lazaina toy ny hoe izy ireo dia mety hanafika azy ireo amin'ny fampiasana ny fiampangana ho fitaovam-piadiana.