plt_tn/2pe/02/10.md

40 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Petera dia nanomboka namaritra ireo toetran'ny olona tsy marina.
# Marina indrindra izany
Ny teny hoe: "izany" dia manondro an'Andriamanitra izay mitazona ny olona tsy marina ao am-ponja mandra-pahatongan'ny fitsarana ao amin'ny 2:7
# Ireo izay manohy amin'ny faniriana ratsin'ny nofo
Eto ny andian-teny hoe: "fanirian'ny nofo" dia manondro ireo faniriana avy amin'ny toetra maha-mpanota. DH: "ireo izay manohy mampihetsika ireo fanirian-dratsy, fanotana."
# Manao tsinontsinona ny fahefana
"Mandà ny ho eo ambany fahefan'Andriamanitra." Eto ny teny hoe: "fahefana" angamba dia mety manondro ny fahefan'Andriamanitra.
# Fahefana
Eto ny "fahefana" dia mijoro ho an'Andriamanitra, izay manana zo hanome didy ary hanasazy ny tsy fankatoavana.
# Mitompo teny fatratra
"Manao izay rehetra tiany atao."
# Ireo be voninahitra
izany andian-teny izany dia manondro ny fanahy, toy ny anjely sy demonia.
# Hery sy fahefana lehibe
Mety ho dikany ho an'ireo izay voakasik'izany dia izao: 1) ireo be voninahitra na 2) ireo mpampianatra sandoka.
# Izy ireo dia tsy mitondra fitsaràna maniratsira manohitra azy ireo
Ny teny hoe: "izy ireo" dia manondro ireo anjely. Ny mety ho dikan'ny teny hoe "izy ireo" dia izao: 1) ireo be voninahitra na 2) ireo mpampianatra sandoka.
# Mitondra fitsaràna maniratsira manohitra azy ireo
Ny fiheverana fa ireo anjely dia mety hiampanga ireo olon-dratsy ireo dia lazaina toy ny hoe izy ireo dia mety hanafika azy ireo amin'ny fampiasana ny fiampangana ho fitaovam-piadiana.