plt_tn/2pe/01/12.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Petera dia milaza amin'ireo mpino mahakasika ny andraikiny amin'ny fanohizana ny fampahatsiahivana sy ny fampianarana azy ireo.

hampahatsiaro anareo ireo zavatra ireo

Eto ny teny hoe "ireo zavatra ireo" dia manondro ny zavatra rehetra izay nolazain'i Petera tao amin'ny andininy teo aloha.

Ianao dia mantanjaka amin'ny fahamarinana

"Ianao dia mino tanteraka ny fahamarinan'ireo zavatra ireo."

Mamoha anareo amin'ny fampahatsiahivana ireo zavatra ireo

Eto ny teny hoe: "mamoha" dia midika ho manaitra olona amin'ny torimasony. Petera dia miresaka mba hahatonga ny mpamaky hisaintsaina ireo zavatra ireo toy ny hoe namoha azy ireo tamin'ny torimasony. DH: "Mba hahatonga anao hisaintsaina ireo zavatra ireo miaraka amin'ny fampahatsiahivana."

Raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho ... dia ho esoriko ny trano-laiko

Petera dia miresaka ny vatany toy ny trano-lay izay hesoriny. Ireo fehezanteny ireo dia manondro ny fahafatesany. DH: "Raha mbola velona koa aho ... dia ho faty aho."

Mba hahatsiarovanareo mandrakariva

"Mba ahafahanao mahatsiaro foana."

Rehefa lasa aho

Petera dia miresaka ny fahafatesany toy ny hoe niala amin'ny toerana iray izy ka hifindra any an-kafa. DH: "Aorian'ny fahafatesako."