# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Petera dia milaza amin'ireo mpino mahakasika ny andraikiny amin'ny fanohizana ny fampahatsiahivana sy ny fampianarana azy ireo. # hampahatsiaro anareo ireo zavatra ireo Eto ny teny hoe "ireo zavatra ireo" dia manondro ny zavatra rehetra izay nolazain'i Petera tao amin'ny andininy teo aloha. # Ianao dia mantanjaka amin'ny fahamarinana "Ianao dia mino tanteraka ny fahamarinan'ireo zavatra ireo." # Mamoha anareo amin'ny fampahatsiahivana ireo zavatra ireo Eto ny teny hoe: "mamoha" dia midika ho manaitra olona amin'ny torimasony. Petera dia miresaka mba hahatonga ny mpamaky hisaintsaina ireo zavatra ireo toy ny hoe namoha azy ireo tamin'ny torimasony. DH: "Mba hahatonga anao hisaintsaina ireo zavatra ireo miaraka amin'ny fampahatsiahivana." # Raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho ... dia ho esoriko ny trano-laiko Petera dia miresaka ny vatany toy ny trano-lay izay hesoriny. Ireo fehezanteny ireo dia manondro ny fahafatesany. DH: "Raha mbola velona koa aho ... dia ho faty aho." # Mba hahatsiarovanareo mandrakariva "Mba ahafahanao mahatsiaro foana." # Rehefa lasa aho Petera dia miresaka ny fahafatesany toy ny hoe niala amin'ny toerana iray izy ka hifindra any an-kafa. DH: "Aorian'ny fahafatesako."