plt_tn/2ki/14/17.md

755 B

moa tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany?

Napetraka izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa voarakitra an-tsoratra avokoa ireo zavatra ireo. Jereo ao amin'ny 8:22 ny fomba nandikanao izany. DH: "voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda avokoa izany."

Nanao tetika hanoherana an'i Amazia tao Jerosalema izy ireo

Ny atao hoe tetika dia fikasan-dratsy an-tsokosoko hamelezana olona na zavatra iray. DH: "Nisy olona nitetika hanao ratsy an'i Amazia"

Lakisy

Izany dia tanàna any atsimon atsinanan'i Joda.

saingy nandefa lehilahy hanaraka azy tany Lakisy izy ireo

Nandefa lehilahy hafa mba hanaraka an'i Amazia tany Lakisy ilay lehilahy izay nanao tetika.