plt_tn/2ki/13/12.md

885 B

ary ny heriny tamin'izay niadiany tamin'i Amazia mpanjakan'ny Joda

"ary ny hery izay nasehon'ny tafiny tamin'izy ireo niady tamin'ny tafik'i Amazia mpanjakan'i Joda"

moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'ny Israely ve izany?

Napetraka izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa voarakitra an-tsoratra amin'ny boky iray hafa ireo asan'i Joahaza. Jereo ao amin'ny 1:17 ny fomba nandikanao izany fanontaniana izany. DH: "voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany."

nodimandry tany amin'ireo razambeny i Joasy

Izany dia fomba mihaja ilazana fa maty izy.

Jeroboama no nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany

Eto ny hoe "nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany" dia ilazana ny fanapahana amin'ny mahampanjaka. DH: "lasa mpanjaka nandimby azy i Jeroboama" na "nanomboka nanapaka teo amin'ny toerany"