# ary ny heriny tamin'izay niadiany tamin'i Amazia mpanjakan'ny Joda "ary ny hery izay nasehon'ny tafiny tamin'izy ireo niady tamin'ny tafik'i Amazia mpanjakan'i Joda" # moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'ny Israely ve izany? Napetraka izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa voarakitra an-tsoratra amin'ny boky iray hafa ireo asan'i Joahaza. Jereo ao amin'ny 1:17 ny fomba nandikanao izany fanontaniana izany. DH: "voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany." # nodimandry tany amin'ireo razambeny i Joasy Izany dia fomba mihaja ilazana fa maty izy. # Jeroboama no nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany Eto ny hoe "nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany" dia ilazana ny fanapahana amin'ny mahampanjaka. DH: "lasa mpanjaka nandimby azy i Jeroboama" na "nanomboka nanapaka teo amin'ny toerany"