plt_tn/2ki/13/10.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Tamin'ny taona fahafito amby telopolo naha-mpanjakan'i Joda an'i Joasy
"Rehefa nanjaka nandritra ny 37 taona teo ho eo teo amin'i Joda i Joasy"
# no nambohan'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza nanjaka teo amin'Israely tany Samaria
"no nanombohan'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza nanapaka teo amin'Israely tany Samaria"
# Joasy
Mpanjakan'Israely izay zanaka lahin'i Joahaza.
# Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy
Eto ny hoe "imason'i" dia ilazana ny fiheverana na fomba fitsaran'i Yaveh. DH: "Nanao zavatra izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"
# Tsy mbola niala tamin'ireo fahotan'i Jeroboama ... izy
Ny fijanonana amin'ny fahotana dia resahina toy ny hoe miala amin'ny fahotana. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Tsy nijanona tamin'ny fahotany toy ny nataon'i Jeroboama i Joasy" na "Nitàna ny fahotany tahaka ny nataon'i Jeroboama i Joasy"
# izay nahatonga an'Israely hanota
"izay tamin'ny alalan'i Jeroboama no nahatonga an'Israely hanota"
# saingy tany amin'ireny no nandehanany
Ny hoe "manota" dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalan'ny fahotana. DH: "saingy nanohy ny fahotany ihany i Joasy"