# Tamin'ny taona fahafito amby telopolo naha-mpanjakan'i Joda an'i Joasy "Rehefa nanjaka nandritra ny 37 taona teo ho eo teo amin'i Joda i Joasy" # no nambohan'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza nanjaka teo amin'Israely tany Samaria "no nanombohan'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza nanapaka teo amin'Israely tany Samaria" # Joasy Mpanjakan'Israely izay zanaka lahin'i Joahaza. # Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy Eto ny hoe "imason'i" dia ilazana ny fiheverana na fomba fitsaran'i Yaveh. DH: "Nanao zavatra izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy" # Tsy mbola niala tamin'ireo fahotan'i Jeroboama ... izy Ny fijanonana amin'ny fahotana dia resahina toy ny hoe miala amin'ny fahotana. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Tsy nijanona tamin'ny fahotany toy ny nataon'i Jeroboama i Joasy" na "Nitàna ny fahotany tahaka ny nataon'i Jeroboama i Joasy" # izay nahatonga an'Israely hanota "izay tamin'ny alalan'i Jeroboama no nahatonga an'Israely hanota" # saingy tany amin'ireny no nandehanany Ny hoe "manota" dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalan'ny fahotana. DH: "saingy nanohy ny fahotany ihany i Joasy"