plt_tn/2ki/11/11.md

919 B

teo ankavanan'ny tempoly hatrany ankavia, akaikin'ny alitara sy ny tempoly

Eto dia tsy fantatra mazava ny tena hevitry ny teny hoe "trano" na tempoly na lapa. Ny dikan-teny sasany mampitovy ny lapa sy ny tempoly. Izany dikan-teny izany dia manao hoe: "teo ankavanan'ny lapa hatrany ankavian'ny lapa, akaikin'ny alitara sy ny tempoly."

nentin'i Joiada nivoaka i Joasy zanaky ny mpanjaka

nentin'i Joiada, ilay mpisoronabe, nivoaka avy tao amin'ny efitranon'ny tempoly izay nitaizana azy sy nanafenana azy i Joasy zanak'i Ahazia mpanjaka.

nomeny azy ny didy fanekena

"nampahafantariny azy ny bokin'ny lalàna"

nosoran'izy ireo izy

"Nanandraraka menak'oliva teo ambony lohan'i Joasy ny mpisorona mba ho famantarana fa efa izy no mpanjaka. DH: "nandrarahany menak'oliva teo ambony lohan'i Joasy"

Nitehaka izy ireo

Ny fitehafana dia fanehoan'ny vahoaka ny hafaliany tamin'ny nanosorana ny mpanjaka vaovao.