# teo ankavanan'ny tempoly hatrany ankavia, akaikin'ny alitara sy ny tempoly Eto dia tsy fantatra mazava ny tena hevitry ny teny hoe "trano" na tempoly na lapa. Ny dikan-teny sasany mampitovy ny lapa sy ny tempoly. Izany dikan-teny izany dia manao hoe: "teo ankavanan'ny lapa hatrany ankavian'ny lapa, akaikin'ny alitara sy ny tempoly." # nentin'i Joiada nivoaka i Joasy zanaky ny mpanjaka nentin'i Joiada, ilay mpisoronabe, nivoaka avy tao amin'ny efitranon'ny tempoly izay nitaizana azy sy nanafenana azy i Joasy zanak'i Ahazia mpanjaka. # nomeny azy ny didy fanekena "nampahafantariny azy ny bokin'ny lalàna" # nosoran'izy ireo izy "Nanandraraka menak'oliva teo ambony lohan'i Joasy ny mpisorona mba ho famantarana fa efa izy no mpanjaka. DH: "nandrarahany menak'oliva teo ambony lohan'i Joasy" # Nitehaka izy ireo Ny fitehafana dia fanehoan'ny vahoaka ny hafaliany tamin'ny nanosorana ny mpanjaka vaovao.