plt_tn/2ki/09/11.md

1.1 KiB

ireo mpanompon'ny tompony

Izany dia ilazana ireo manampahefana izay nanompo an'i Ahaba mpanjaka.

olona marary saina

"olona adala"

Fantatrareo iny olona iny ary fantatrareo izay zavatra lazainy

Nilaza i Jeho fa mbola tanora ilay mpaminany ary efa mahazatra azy rehetra ny fomba firesaky ny mpaminany tanora amin'ny ankapobeny. DH: "Fantatrareo ny karazan-javatra lazain'ny mpaminany tanora tahaka azy" (UDB)

Lazao anay

"Lazao anay izay noteneniny"

Toy izany sy izany no nolazainy tamiko

"Niresaka zavatra maromaro izy"

nanala faingana ny akanjony ivelany izy ireo ka nametraka izany teo ambanin'i Jeho

Ny famelarana ny akanjo eo amin'ny tany dia fomba fanomezam-boninahitra ny mpanjaka, ary noho izany dia tsy hikasika ny tany maloto ny tongotry ny mpanjaka. DH: "nanala faingana ny akanjony ivelany izy ireo ka nametraka izany teo anoloan'ny mpanjaka mba handehanany."

Notsofin'izy ireo ny trompetra ary hoy izy ireo hoe

Tsy ny olona rehetra akory no nitsoka ny trompetra. Fa mety ho olona iray ihany no nitsoka izany. DH: "Notsofin'ny iray tamin'izy ireo ny trompetra ary hoy izy rehetra hoe"