plt_tn/2co/12/11.md

52 lines
1.8 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Mampatsiahy ireo mpino Korintiana ny amin'ny famantarana marina ny apostoly iray i Paoly, ary amin'ny fanetren-tenaeo anoloan'izy ireo mba hanamafy orina azy ireo.
# Izaho dia lasa adala
"manao ho toy ny adala aho"
# anareo no nanery ahy amin'izany
"Ianareo no nanery ahy hiteny toy izany"
# fa izaho dia tokony noderainareo
Azo adika hoe DH: "fiderana no tokony hatolotrareo ahy"
# Fa izaho dia tsy ambany noho ireo
Amin'ny fampiasana endrika tsy manaiky, i Paoly dia milaza mafy fa ireo Korintiana izay mihevitra fa ambany izy dia diso. DH: "fa izaho dia tsara"
# Aposotoly ambony
Apostoly ambony- Mampiasa eso-teny i Paoly eto ampisehoany fa tsy manan-danja noho izay efa nolazain'izy ireo izy ireo. DH: "ireo mpampianatra izay heverin'ny sasany ho mahay kokoa noho ny olona hafa"
# Ireo famantarana marina ny maha Apostoly dia notanterahina
Azo atao hoe DH: "Izany dia fambaran'ireo apostoly izay notanterahiko"
# famantarana...famantarana
Mampisa izany fiteny izany indroa i Paoly.
# famantarana sy fahagagana ary asa mahery
Ireo no "famantarana marina an'ireo apostoly" izay ataon'i Paoly "amin'ny fiaretana tanteraka."
# Fa ahoana ianareo no tsy dia manan-danja noho ireo fiangonana sasany, ankoatry ny tsy maha vesatra ahy ho anareo?
I Paoly dia manamafy fa diso ireo Korintianina manendrikendrika azy ny ho maniry ny hanao ratsy amin'zy ireo. Izany dia fanotanina tsy mila valiny izay afaka hadika ho fanmbarana. DH: "Nataoko toy izany koa ny fomba nitondrako ireo fiangonana, .... afa-tsy ianareo"
# tsy maha vesatra ahy ho anareo?
"tsy nangata-bola na zavatra hafa izay ilaiko taminareo aho"
# Mamelà ahy noho izany fahadisoana izany!
Maneso mba hahamenatra ireo Korintiana i Paoly.
# izany fahadisoana izany!
Tsy mangata-bola amin'izy ireo na zavatra hafa izay ilainy.