plt_tn/2co/05/06.md

1003 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Satria hahazo vatana vaovao sy Fanahy Masina ho antoka ireo mpino, dia mampatsiahy azy ireo i Paoly mba hiaina amin'ny finoana mba hampifalian'izy ireo ny Tompo. Mbola nampatsiahy azy ireo ihany i Paoly handresy lahatra ny hafa satria 1) ireo mpino dia hiseho eo amin'ny seza fitsaran'i Kristy ary 2) nohon'ny fitiavana an'i Kristy izay maty ho an'ireo mpino.

fa rehefa ao an-trano amin'ny vatana isika,

Resahin'i Paoly toy ny hoe toerana honenan'ny olona ny vatan'olombelona. DH: "rehefa miaina eto amin'ity vatana an-tany ity isika"

dia lavitra ny Tompo

"tsy ao an-trano miaraka amin'ny Tompo isika" na "tsy any an-danitra miaraka amin'ny Tompo isika"

Fa mandeha amin'ny finoana isika, fa tsy amin'ny fahitana

"miaina araka ny finoana isika, fa tsy araka izay hitantsika"

Aleontsika lavitry ny vatana

Eto ny teny hoe "vatana" dia ilazana ny vatan'olombelona.

ao an-trano miaraka amin'ny Tompo

"ao an-trano miaraka amin'ny Tompo any an-danitra"