plt_tn/2co/01/19.md

859 B

Fa ny zanak'Andriamanitra... dia tsy "Eny" na "Tsia."Fa kosa, Izy dia niteny foana hoe "Eny."

Jesosy nilaza hoe "Eny" mikasika ny fampanantenan'Andriamanitra, izay midika fa nanome antoka Izy fa marina izany. DH: "Fa ny zanaka'Andriamanitra... dia tsy milaza hoe "Eny" sady "Tsia" mahakasika ireo fampanantenan'Andriamanitra. Fa kosa, izy dia milaza "Eny" hatrany.

Zanak'Andriamanitra

Izany dia fiantsoana izay manan-danja ho an'i Jesosy izay mamaritra ny fifandraisany amin'Andriamanitra.

ny fampanantenan'Andriamanitra rehetra dia "Eny" avokoa ao aminy

Izany dia midika fa i Jesosy dia manome antoka ny amin'ireo fampanantenan'Andriamanitra rehetra. DH: "ny fampanantenan'Andriamanitra dia azo antoka ao amin'ny Jesosy Kristy"

"Eny" avokoa ao aminy... amin'ny alalany koa isika dia hiteny

Ny teny hoe "aminy" dia manondro an'i Jesosy Kristy.